jdwood_plt_isa_text_ulb/34/03.txt

1 line
410 B
Plaintext

\v 3 Ireo vata-mangatsiakan'ireo maty dia hatsipy any ivelany. Ny fofona maimbon'ireo faty dia ho eny rehetra eny; ary ireo tendrombohitra ho vonton'ny ràn'izy ireo. \v 4 Ho levona avokoa ny kintan'ny lanitra, ary ny lanitra dia hiorona tahaka ny horonana; ary ny kintany rehetra dia ho levona, toy ny ravina izay malazo mihintsana amin'ny tahom-boaloboka, sy toy ny aviavy lo mihintsana amin'ny hazon'aviavy.