jdwood_plt_isa_text_ulb/32/04.txt

1 line
443 B
Plaintext

\v 4 Ireo kely fisainana dia hihevitra tsara amin'ny fahazavan-tsaina, ary ireo mibadabada dia hahay hiteny mahitsy tsara. \v 5 Ny adala dia tsy ho antsoina intsony hoe mendrika, na ny mpamitaka ho hajaina. \v 6 Fa ny adala dia hiteny fahadalana, ary ny fony dia hanao teti-dratsy sy hanao asa miatsaravelatsihy, ary hiteny diso hanohitra an'i Yaveh izy. Hampanoana ireo noana izy, ary hahatonga ireo mangetaheta tsy hanana zavatra hosotroina.