jdwood_plt_isa_text_ulb/38/09.txt

1 line
634 B
Plaintext

\v 9 Izao no vavaka voasoratr'i Hezekia mpanjakan'i Joda, rehefa narary ary sitrana izy: \v 10 "Izaho nilaza fa eo amin'ny antenantenan'ny fiainako dia handeha amin'ireo vavahadin'ny fiainan-tsy hita aho; nalefa tany aho mandritra ny taona sisa hiainako. \v 11 Hoy aho hoe tsy hahita an'i Yaveh intsony aho, Yaveh any amin'ny tanin'ny velona; tsy hijery ny olombelona na ireo mponin'ny tany intsony aho. [Fanamarihana: "ireo mponin'izao tontolo izao": Ny ankamaroan'ny dikan-teny vaovao dia manana io dika io. Ireo dikan-teny Hebreo Taloha dia misy hoe: "ireo mponina eo amin'ny toerana tsy misy." (izany hoe: fisiana vetivety ihany)]