jdwood_plt_isa_text_ulb/38/01.txt

1 line
537 B
Plaintext

\c 38 \v 1 Tamin'ireo andro ireo i Hezekia dia narary mafy efa eo andalam-pahafatesana. Koa tonga teo aminy Isaia zanaka lahin'i Amoza, ilay mpaminany, ary nanao taminy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Alamino ny tranonao; fa ho faty ianao, fa tsy ho velona."' \v 2 Dia nanodina ny tavany nankany amin'ny rindrina i Hezekia ary nivavaka tamin'i Yaveh. \v 3 Hoy izy: "Mba tsarovy re ry Yaveh, ny nandehanako am-pahatokiana tamin'ny foko manontolo teo anatrehanao, sy ny nanaovako ny tsara teo imasonao." Dia nitomany mafy i Hezekia avy eo.