jdwood_plt_isa_text_ulb/37/21.txt

1 line
510 B
Plaintext

\v 21 Ary nandefa hafatra tany amin'i Isaia zanak'i Amoza i Hezekia, manao hoe: "Yaveh, Andriamanitr'Israely manao hoe: 'Satria efa nivavaka tamiko mahakasika an'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ianao, \v 22 dia izao ny teny izay nolazain'i Yaveh ny momba azy: "Manao tsinontsinona sy manala baraka anao ny zanaka vavy virijin'i Ziona; mihifikifi-doha aminao ny zanaka vavy. Nihantsy sy naniratsira an'iza ianao?\v 23 Nampiaka-peo sy nivandravandra tam-pireherehana tamin'iza ianao? Tamin'ny Ilay Masin'Israely.