jdwood_plt_isa_text_ulb/37/03.txt

1 line
482 B
Plaintext

\v 3 Hoy izy ireo taminy: "Hoy i Hezekia hoe: 'Ity andro ity dia andron'ny fahoriana, fibedesana, ary fanalam-baraka, tahaka ny zaza efa ho teraka, nefa ny reniny dia tsy manana hery hiterahana ny zanany.\v 4 Mety ho ren'i Yaveh Andriamanitrao ihany ireo tenin'ny lehiben'ny mpifehy, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria mba hihantsy an'Andriamanitra velona, ka hiteny mafy ireo teny izay ren'i Yaveh Andriamanitrao. Ankehitriny dia asandrato ho an'izay mbola tavela eto ny vavakao."'