jdwood_plt_isa_text_ulb/36/01.txt

1 line
742 B
Plaintext

\v 1 Tamin'ny taona faha efatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka, Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia nanafika ireo tanàna rehetra mimandan'i Joda ary nambabo azy ireo. \v 2 Dia nalefan'ny mpanjakan'i Asyria avy any Lakisa ho any Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka ny lehibe mpifehy miaraka amin'ny tafika lehibe. Nampifanantona ny lakan-dranon'ny farihy ambony izy, amin'ny lalam-be mankany amin'ny sahan'ny mpanasa lamba, ary nitsangana tamin'izany. \v 3 Ny manam-pahefana Israelita izay nivoaka ivelan'ny tanàna mba hiresaka amin'izy ireo dia i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, ny mpandrindra ny lapa, Sebna mpitan-tsoratrin'ny mpanjaka, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, izay nanoratra ireo fanapahan-kevitrin'ny governemanta.