jdwood_plt_isa_text_ulb/34/13.txt

1 line
497 B
Plaintext

\v 13 Tsilo no haniry eo amin'ireo lapany, voaroy sy amiana no eo amin'ny trano fiarovany. Ho fitoeran'ireo ambodia izany, sy toeran'ireo ostritsa. \v 14 Ny bibidia sy ireo kary no hihaona any, ary ireo osidia no hifampiantso any. Ny bibin'ny alina no hanorim-ponenana any ka hahita toeram-pialantsasatra ho azy ireo. \v 15 Ireo vorondolo hanao akany, hanatody sy hikotrika ireo atodiny, hikotrika ary hiaro ireo zanany. Eny, any no hiangonan'ireo papango, ny tsirairay miaraka amin'ny namany avy.