jdwood_plt_isa_text_ulb/08/16.txt

1 line
404 B
Plaintext

\v 16 Fehezo ny fijoroako vavolombelona, ary asio tombo-kase ny firaketana ofisialy, ary omeo ireo mpianatro izany. \v 17 Hiandry an'i Yaveh aho, izay manafina ny tavany amin'ny ankohonan'i Jakoba; hiandry Azy aho. \v 18 Indro, izaho sy ireo zanako lahy izay nomen'i Yaveh ahy ho famantarana sy ho zava-mahagaga ao Israely avy amin'i Yaveh Tompon'ny maro, izay mipetraka eo amin'ny Tendrombohitr'i Ziona.