\v 11 Indro, efa renareo izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra tamin'ny fandravana azy ireo tanteraka. Koa ho voavonjy ve ianareo?\v 12 Moa ve namonjy azy ireo ireo andriamanitry ny firenena, dia ireo firenena izay noravan'izy ireo: Gozana, Harana, Razefa, ary ny vahoakan'i Edena tao Telasara? \v 13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata, mpanjakan'i Arpada, mpanjakan'ireo tanana Sefarvaima, Hena, Iva?