\v 14 Nandray ny taratasy teny an-tanan'ny mpitondra hafatra i Hezekia ary namaky izany. Dia nankany an-tranon'i Yaveh izy ary namelatra izany teo anatrehany. \v 15 Nivavaka tamin'i Yaveh i Hezekia hoe:\v 16 "Ry Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, Ianao izay mipetraka eo ambony Kerobima, Ianao irery no Andriamanitra eo amin'ny fanjakan'ny tany rehetra. Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany.