\v 23 Amin'izany fotoana izany, teo amin'izay nisy divay aman'arivony tombanana sekely volafotsy arivo, dia tsy hisy na inona na inona afa-tsy tsilo. \v 24 Handeha ho any mba hihaza amin'ny tsipìka ny olona, satria ny tany rehetra dia ho tsilo avokoa. \v 25 Hijanona lavitr'ireo tanety rehetra izay navadika tamin'ny angady izy ireo, nohon'ny tahotra an'ireo tsilo; fa ho toerana fihinanan'ny biby fiompy sy ondry izany.